Actualités

Tsy fandriampahalemana any Betroka Mampiaka-peo ny mponina any an-toerana


  • Talata 15 Desambra 2015

Efa tena mihoatra ny fefy ny fihanaky ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Betroka Faritra Anosy ka nandefa solontena niakatra teto Iarivo hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra mahefa, ny faran’ny herinandro teo, ny mponina any an-teorana

. Nambaran’izy ireo nanoloana ny mpanao gazety ary ny alahady teo fa mahavelom-bolo ny finiavan’ny fitondram-panjakana nampanatontosa ny « Opération Fahalemana » na dia teo aza ny indro kely nahatonga izany rehetra izany. Ho an-dry zareo avy any Betroka dia tsy ahafoana ny olana mianjady eo amin’ny fitsitokotokoana ara-piarahamonina misy, ny olana misy eo amin’ny manampahefana sy ny mpandoa hetra, ny olana misy eo amin’ny manampahaizana sy ny tsy mahay taratasy na koa eo amin’ny mpanana sy ny mahantra, ny famoretana ataon’ny tafika. Saika miafara amin’ny valifaty miteraka asan-jiolahy maro samihafa toy ny halatra omby  … io fahasamihafana ara-piarahamonina io amin’ny ankapobeny. Manameloka ny fiampangana tsy ara-drariny mahazo ny solombavambahoakany voafidy tany an-toerana koa ity delegasiona avy any Betroka ity izay nanambara fa  raha 10 ry zareo no nilatsaka hofidiana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka dia io depiote lany io no niantefan’ny safidiny satria fantatr’izy ireo tsara avokoa ny mikasika azy manontolo. Koa miangavy ity delegasiona avy any Betroka ity mba hampijanonana ny fanelezana vaovao tsy marina avy any amin-dry zareo na hanomezan’ny mpanao izany porofo mazava sy mitombina tanteraka.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT