Mihanaka ny zavamahadomelina, maherin'ny folo gony ny rongony tratran'ny haraton'ny polisim-pirenena, nandritra ity volana febroary ity. "10 gony no tratra tany Ihosy.
Ankoatra izay tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa, 40 kg tany Mahajanga ary rongony 500 mg kosa teto an-drenivohitra". Ireo no tatitry ny ezaky ny polisim-pirenena, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety mahakasika ny tetikasa ny mpitandro ny filaminana hitan'ny vahoaka. Tsy mahagaga raha mahery setra ireo olon-dratsy amin'ny vono olona mahatsiravina sy ny fanafihana mitampiadiana feno habibiana, noho izy ireny tratran'ity fanadontoan-tsaina sy famonoana eritreritra ity. Ankoatra ny mahadomelina, tandindomin-doza ny mponina amin'ny fihanaky ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Teto an-drenivohitra fotsiny, "Ankoatra ny hareza fandidiana poketra sy sakaosin'ireo mpangarom-paosy, tratry ny vela-pandriky ny mpitandro ny filaminana tany anelakela-trano ihany koa antsy be 10 sy sabatra folo. Basy valo koa tra-tehaka teto Antananarivo Renivohitra ka ny 3 basy vita gasy. Noraofina ihany koa ny bala 19 tamin'ireo tsy nahazo alalana hitana izany". Izay no tatitry ny volana febroary, araka ny fanambaran'ny mpiandraikitra, ny Commissaire Divisionnaire Tana Ville, Jean Victor Tsaramonina, teo anatrehan'ny mpilaza vaovao omaly. Mandry andriran'antsy ny vahoaka. Betsaka ny fitaovam-piadiana azo.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.