Iray volana latsaka sisa dia hiverina an-tsekoly indray ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy hisantatra ny taom-pianarana vaovao 2016-2017.
Mahatsiaro mivoaka sempotra ny ray aman-dreny manoloana izany, indrindra fa ny fandoavana ny vola fanavaozana ny fisoratana anarana izay iraisan’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina. Mikasika izay indrindra dia fantatra fa miankina amin’ny zava-misy iainan’ilay sekoly ho an’ny sekolim-panjakana manokana ny mety handoavan’ny ray aman-dreny vola na tsia, raha araka ny fanazavan’ny minisitra Paul Rabary omaly. Ny FEFI sy ny fikambanan’ny FRAM ary ny talen-tsekoly no manapaka izany, hoy izy miankina amin’ny filan’ilay sekoly. Antony, raha misy mandeha misotro ronono tampoka ny mpampianatra ao amin’ny sekoly iray dia tsy maintsy mampiditra mpampianatra FRAM izy. Tsy maintsy handoavana karama anefa ireny mpampianatra FRAM ireny ankoatra ny fanampiana omen’ny fitondram-panjakana azy ireny mba hahafahany manao ny asany ara-dalàna. Na izany aza dia nanamafy ity minisitra ity fa efa tena miezaka ny fanjakana hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly ireo menaky ny ainy. Noraisiny ohatra tamin’izany ny sakafo maimaimpoana omena ny mpianatry ny EPP amin’ny antoandro, ny fizarana kits scolaire, ny fanatanterahana ilay tetikasa caisse école hahafahany mividy kofafa, tsaoka….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.