Actualités

Tsy fanajana ny zon’olombelona Tena mbola misy eto Madagasikara


  • Talata 26 Martsa 2019

Mbola ahitana endrika tsy fanajana ny zon`olombelona eto Madagasikara raha ny fanazavana nentin`ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fiarovana ny zon`olombelona (CNIDH).

 


Maro ny fitarainana voarainy toy ny eny amin` ny fonja, ny toeram-piasana… Andraikitry ny CNIDH no mampahafantatra amin`ny tompon’andraikitra, araka ny nambaran`ny filoha lefitra, Rabetokotany Mamy. Mahakasika ny fahaleovantenany indray dia nohamafisin`ity filoha lefitra ity fa tsy miankina amin`ny fanjakana mihitsy ny fandraisany fanapahan-kevitra amin`ireo tranga samihafa. Ohatra ny olona mandrafitra ny CNIDH dia ahitana maro lafy ka ny mpikambana fito amin`ny 11 mandrafitra azy dia avy amin`ny firaisamonim-pirenena. Manana andraikitra hampandrosoana ny firenena sy amin`ny fanaraha-maso ny asan`ny fanjakana ny CNIDH. Misy tatitra atao isaky ny efa-taona any amin`ny firenena mikambana satria manana ny ambarany izy amin`ny maha Andrim-panjakana natao hijery ny fanajana ny zon`olombelona azy. Taorian`ny adina am-bava nataon`ny iraisam-pirenena tany Genève ny 21 martsa lasa teo no nahazoan`ny vaomieram-pirenena ny “Statut A”mariky ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena amin`ny andraikitr`izy ireo manoloana ny fiarovana ny zon’olombelona eto Madagasikara.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT