Anisan’ny delegasionina nalefa tany Koweit amin’ny maha mpitsirika teo anivon’ny minisiteran’ny asam-bahoaka ny faran’ny taona 2011 aho, hoy i Moussa Soalihy.
Hisorohana ny tranga nisy tao Liban no anton’ny nanirahan’ny minisitra, Henry Rasamoelina, anay tamin’izany fotoana. Mpanao gazety miisa 2, delegasionina misahana ny resaka fifindra-monina, mpitsirika momba ny asa ary ny tenako no tany, hoy hatrany izy. Nijery ifotony ny kaodin’ny asa sy ny karama izahay. Nampalahelo fa ambany ny karaman’ny Malagasy raha mitaha amin’ny an’ny firenen-kafa. Raha mandray 50 Dinar ny Malagasy dia 300 dinar ny an’ny filipianina, ohatra. Ny antony dia tonga tany an-toerana nametraka izay mihitsy ny mpitondra filipianina. Tokony hanery ny fanjakana toy izay koa no ataontsika satria mitovy ihany ny asan’ireo mpiasa tonga any, hoy hatrany ny fanazavany. Sampandraharaha iray mahalala ny zava-misy sy ny kolontsaina any an-toerana no tokony handefa ireo mpiasa satria mety mahakasika ny zava-mahasarotiny azy no mahatonga ilay tsy fifanajana sy herisetra. Misy amin’ny firenena rehetra ny tranga toy izany fa tsy any Koweit ihany, hoy ny fanamarinany. Farany dia tokony hisy ambasadaorontsika hiaro ireny mpila ravinahitra ireny any an-toerana. Hita ho tsy ampy, araka izany, ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana amin’ny toe-draharaha toy itony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.