Ho tanterahana ny 13 ka hatramin’ny 16 septambra 2016 etsy Anosy ny fihaonambe mikasika ny fandrindram-piterahana izay karakarain’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Araka ny valim-panadihadiana nolazainy dia zara raha nisy 33% no taham-pandrindram-pahaterahana nisy ny taona 2012 ka amin’ny taona 2020 vao heritreretina ho tratra ny tanjona hampiakarana izany ho 50%. Tamin’io taona io koa dia 478 amin’ny vehivavy miisa 10.000 no maty am-piterahana, raha ny fanazavany, ary dia mbola amin’ny taona voalaza etsy ambony ihany koa no hotratrarina ny fanenana izany taha izany, araka ny fanazavany hatrany. Raha nanontaniana ny fiantraikan’ny fihinanana hena kisoa nampiasana fanabeazan’aizan’olombelona izay nalaza tato ho ato sy ny mety ho fiantraikan’ireny onjan’andrin-jiro ireny amin’ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka moa ny tenany dia nilaza fa tsy afaka ny teny hoe misy fiantraikany amin’ny fahasalamana izy ireny sa tsia satria mbola misy ny fikarohana tokony ho atao, hoy izy.
Legende: ny minisitry ny fahasalamana
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.