Niala tsiny tamin’ireo mpanao gazety naka vaovao teny amin’ny fihaonam-be iraisam-pirenena izay nanomboka omaly teny Ivato ny solontena avy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny haino aman-jery
eo anivon’ny minisiteran’ny fifandraisana (DRM) nohon’ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny fandraisana ireo mpanao gazety tonga teny Ivato. Araka ny fanazavana azo dia efa omaly tamin’ny 2 maraina izy ireo no niezaka namoaka ireo karatra ho an’ny mpanao gazety mandritry ny fihaonam-be kanefa dia izy ireo indray no tsy nahazo ny anjara karatra ahafahan’izy ireo miasa raha tsy efa omaly tolakandro. Tsy avy amin’ny DRM, hoy izy ireo, noho izany ny nahatonga ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fikarakarana. Nomarihan’ity solontena ity ihany koa moa fa isan’ny olana goavana ny tsy fahampian’ny tetibola teo amin’ny fikarakarana.
Mirija
Sary : Rakotobe Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.