Actualités

Tsy fahafahana mifoka sigara amin'ny toerana be olona Hihatra manomboka anio


  • Zoma 03 Oktobra 2014

Hihatra manomboka anio zoma 03 oktobra eto amintsika ilay didim-pitondrana laharana 29.511/2013 mandrara ny tsy fahafahana mifoka sigara amin'ny toerana be olona na mihiboka.

Tamin'ny taon-dasa io didim-pitondrana io no novolavolaina izay tsiahivina fa efa narahana fanentanana avy hatrany na ho an'ny sarambabem-bahoaka izany na ho an'ireo toeram-pisotroana na fisakafoanana. Tanjona ny hahafahana mitsinjo ny fahasalaman'ny tsirairay, indrindra ho an'ireo tsy mifoka nefa mivesatra ireo karazan'aretina maro samihafa aterak'izany.  Raha araka ny tafa fohy nifanaovan'ny OFNALAT niaraka tamin'ny sekretera jeneraly eo anivon'ny Minisiteran'ny fahasalamana tamin'ny mpanao gazety omaly dia anisan'ny tompon'andraikitra voalohany amin'ireo toerana mihiboka na mihidy ireo ny tompon'ny toerana. Andraikitra voalohany tokony horaisin'izy ireny ny fampiharana ity didim-pitondrana ity. Faharoa ny fanalana ny fanatazana tain-tsigara amin'ny toerana hiadidiany, ny fametahana ny marika mandrara ny fifohana sigara ao amin'ny toerana misy azy ary farany izay tsy kely akory dia ny fanentanana ny olona mampiasa sy mivezivezy ao aminy. Tsara  moa ny mampahatsiahy fa mety hiafara amin'ny fanakatonana ilay toerana mihitsy ny tsy fanarahan'ny tompony ireo voalaza ireo raha 2.500 Ar ny lamandy aloan'ilay mpifoka. Ho an'ireo tanora 13 ka hatramin'ny 15 taona nanaovana fanadihadiana tamin'ny taona 2008 manokana dia ny 75 %-n'izy ireo no mihevoka ny setro-tsigaran'ny hafa eny amin'ny toerana hifamezivezen'ny olona, ny 80 % no resy lahatra amin'ny fandrarana ny fifohana sigara amin'ny toerana be olona ary ny 80 % hafa dia mahafantatra fa miteraka voka-dratsy ara-pahasalamana ny fihevohana ny setro-tsigaran'ny hafa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT