Omaly no nanatanterahana ny fitsarana an’i Berija ilay filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Ankatso na CJUM. Naverina eny Tsiafahy indray anefa ny tenany miandry ny tena fitsarana azy izay voatondro ho amin’ny 29 janoary 2015 ho avy izao
. Raha hiverenana ny fizotry ny fitsarana azy omaly dia voalaza fa mila porofo indray ny fitsarana entina mandinika ny raharaha momba azy ka tsy maintsy averina ny fitsarana. Nisy hatrany ny fangatahan’ny mpisolovava azy fahafahana vonjimaika saingy tsy nekena. Voalazan’i Maitre Willy Razafinjatovo na Olala fa efa nisy ary efa teo am-pelatanan’ny fitsarana ny porofo rehetra momba ity raharaha ity saingy niniana tsy nojerena fa nolalaovina fotsiny mba ahafahana mitazona an’i Berija maharitra any am-ponja ary tsy nisy ny porofo avy amin’ny fitsarana milaza fa meloka izy. Raha ny fahitana azy, hoy ity mpisolovava ity dia karazana antsojay no atao. Etsy an-kilany, marary mafy i Berija amin’izao fotoana raha ny voalazan’ireo namany ary atahorana ny fahasalamany. Nilaza ireo mpianatra fa hisy ny hetsika mafonja ato ho ato ary voalaza fa efa manohana azy ireo ny mpianatra any amin’ny oniversite any amin’ny faritra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.