Nahery vaika ny delestazy teto Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina azy tamin’iny herinandro lasa iny, asa indray izay hitranga manomboka anio. Niray feo ny rehetra fa efa tena tsy rariny intsony kosa e !
Simba tanteraka ny asa aman-draharaha, nijaly manokana ireo mpivarotra tsy maintsy mampiasa vata fampangatsiahana sy ny mpanao volo, simba tanteraka ny tsena, hoy izy ireo. Mitodika any amin’ny Jirama ny mason’ny rehetra, ny grevy moa ity nijanona, manohy ny asany ihany koa ny Symbion power izay fototry ny grevy teo aloha kely teo. Ka inona ary ny vahaolana ? Ny fohy ezaka sa hiharitra aloha ny rehetra ? Mbola misy 7 volana eo mantsy vao mety hilamina ny delestazy. Iaraha-mahalala fa ho avy izao ny fahavaratra, ka raha 6 ora isan’andro no tapaka ny jiro ankehitriny, dia asa fotsiny ny hiseho amin’ny volana novambra sy desambra rehefa tonga ny orana raha toa ka tsy manana vahaolana ny Jirama sy ny fitondram-panjakana. Ny serasera ataon’ny fanjakana koa tsy mazava tsara fa manjavozavo ka izay no mampitombo ny savorovoro. Fa na inona na inona anefa fahasahiranana dia manana adidy ny fanjakana hikaroka vahaolana fa rehefa tsy mahita izy dia tokony hitsotra ny marina. Raha voafehin’ny fanjakana fotsiny, ohatra, ireo trafika isan-karazany eto na tsy goragora ny fitantanana ny volam-panjakana dia mety hisy ihany ny vola hanavotana ny Jirama haingana dia haingana sy hamahana ity olan’ny delestazy ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.