Mitohy hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ireo karazana hazan-dranomasina any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny amin’izao fotoana izao.
Tsitsika milanja 40 kilao sy drakaka 5 kesika indray mantsy izay samy tsy misy taratasy ara-dalàna avokoa no sarona tao amin’ny toby fiantsonan’ny taksibrosy hihazo an’Antananarivo ao Morondava, afak’omaly. Saika hoentina hihazo an’Antsirabe ireto karazana hazan-dranomasina ireto ary efa nafenina sy notahitahiana mafy saingy izao mbola tratra izao ihany. Vokany, voatery noraofina ireto entana ireto ary nentina eny anivon’ny sampandraharahan’ny jono any an-toerana. Raha araka ny vaovao farany moa dia hozaraina amin’ireo olona sahirana any an-toerana izy ireo raha nahazo fampitandremana mafy kosa ireo tompony. Hihamafy ny fanaraha-maso ny fivoahan’izy ireny any amin’iny faritra Menabe iny mba tsy hiteraka fakam-panahy ho an’ny hafa intsony. Tsiahivina fa anisan’ny tena lafo amin’izao ny iray kilao amin’ny drakaka satria efa mahatratra 10.000 Ar ho antsika eto an-drenivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.