Actualités

TSIORY Namoaka ny « iray dia »


  • Talata 12 Janoary 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginana indray i Tsiory ilay mpanakanto fanta-daza tamin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe : veloma farany nampalaza azy ny taona 2001.

 

Tao anatin’ilay raki-kirany voalohany mitondra ny lohateny hoe : Tsiory io hira io, niampy ny Tiako ianao, inty … Namoaka ny raki-kirany faharoa indray ity renim-pianakaviana ity  izay audio fotsiny ny faran’ny herinandro teo ka nampahafantatra izany ny mpanao gazety tamim-pomba ofisialy. « Iray dia » no anarany, ahitana hira valo ka santionany amin’ireny ilay  mitondra ny lohateny hoe : « hisy », « fa tsy eo ianao »… izay ahitana hiram-pitiavana ny ankamaroany nefa misy hira  manampy ireo olona lavon’ny fiainana ihany koa mba hitraka indray ankoatra ny hira masina. Tany France sy Italie ary Barcelone no nanaovany ny fanodinana ny horonan-tsary tamin’io raki-kira faharoa io izay efa mandeha eny anivon’ny fahitalavitra ankehitriny. Tsiahivina fa renim-pianakaviana efa niteraka telo i Tsiory. Any ampitan-dranomasina izy no monina sy mitoetra. Faniriany ny  hiaka-tsehatra toy ny mpanakanto malaza rehetra saingy hisantarany izany kosa ny fandaharana amin’ny alalan’ny fahitalavitra na fanafanana lanonana madinika eto an-tanindrazana manomboka amin’ity taona 2016 ity. Noho ny fahasahiranana moa no nambaran’i Tsiory fa anton’ny fahanginany nandritra izay 15 taona izay. Na izany aza tsy manadino ireo mpankafy azy izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT