Actualités

Tsimokaretina ZIKA Izao tontolo izao mikorapaka, Madagasikara tsy rototra


  • Zoma 05 Febroary 2016

Firenena 34 ankehitirny no voakasiky ny fiparitahan’ny tsimokaretina Zika, araka ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahalasalamana.

 

Mba ho famerana ny fiparitahan’ity aretina azo avy amin’ny kaikitry ny moka ity dia saika miatrika fivoriana maika avokoa ireo firenena lehibe any Eoropa sy Amerika. Anisan’ny firenena tena voakasik’ity aretina ateraky ny otrikaretina Zika ity ihany koa i Martinika izay efa nahitana tranga hatrany amin’ny 2 287 hatramin’ny omaly. Raha amin’ny endrika ivelany dia tsy dia ahitana soritr’aretina mampatahotra loatra izy fa eo amin’ny vehivavy mitondra vohoka kosa no tena atahorana ny vokany ho an’ny zazakely ao an-kibo. Ny aretina aterany mantsy dia manimba ny ny fitomboan’ny atidohan’ny zazakely any an-kibo ka izany no mahatonga ny firenena any Eoropa tsy mampirisika mihitsy ny vehivavy hitondra vohoka. Araka ny fanadihadiana vita tany Etazonia mantsy dia mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo ihany koa ity aretina ity. Ny tena mahalasa saina kosa dia ny tsy fahatairan’ny fanjakana malagasy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mba hisorohana  ny mety hidiran’ity aretina ity eto amintsika sy ny fiparitahany na dia mba ho fampahafantarana fotsiny aza. Mampatsiahy ny zava-nisy tamin’ny vanim-potoana niparitahan’ny aretina ebola ity tranga ity fa ny irariana dia ny mba tsy hahaela loatra ny fandraisan’ny minisiteran’ny Fahasalamana fanapahan-kevitra.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT