Tsy fahamalinana sy tsy fifandeferana kely fotsiny dia ahitan-doza ary animban-javatra. Izay no nitranga tetsy Tsimbazaza omaly tolakandro nanodidina ny tamin’ny efatra ora
Fiara kely iray nidina ny lalana rarivato avy any amin’ny Capsat Soanierana hamonjy ny lalana ao Tsimbazaza no nidofotra tamina kamiao kely iray, ity farany indray nifaoka 4x4 nifanena taminy. Niampy anefa ny fahavoazan’ilay fiara kely efa nidona satria mbola nodonina 4x4 nanaraka azy nidina avy ao aoriana. Nikatso nandritra ny minitra maromaro ny fifamoivoizana, ary nahatratra 1km ny fitohanan’ny fiara avy any Ankadimbahoaka nihazo an’i Tsimbazaza iny, tsy latsak’izany koa ny avy any Tsimbazaza hamonjy an’Ankadimbahoaka ankoatra ireo nanao tampody fohy niverina an-dalana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.