Actualités

Tsiaro mampikomy


  • Talata 02 Mey 2017

Fahatsiarovana ireo maherifo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana ho fitakiana ny fahaleovantenam-pirenena nogiazan’ny frantsay ny datin’ny 29 martsa 1947.


Mbola takiana foana anefa izany isan-taona ary tamin’ny farany teo izao dia nanomboka nitaky fahalalahana hiteny tetsy Behoririka ny haino aman-jery iray izay ataon’ny fitondrana zanak’Ikalahafa satria mitaky faleovantena eo amin’ny fanehoan-kevitra. Raikitra ho fetin’ny asa ny datin’ny 1 mey taorian’ny hetsika nataon’ireo Amerikanina tamin’ny taona 1896 hitakiana ny fanenana ny ora fiasana ho 8 isan’andro. Moa va tsy loza noho izany no antom-pitakian’ireo sendikalista tetsy sy teroa omaly satria dia ny zon’ireo mpiasa izay mitrongy vao homana voahitsakitsak’ireo efa zatra migalabona amin’ny kolikoly mihitsy no tsy ekeny intsony ? Hahagaga ve raha mbola  ho tsiaro mampikomy toy izany koa no hitranga amin’ny 13 mey sy 26 jona satria dia zary tsiahy mandatsa sisa ireny daty tokony ho fandresena ireny raha toa ka firenena miha fadiranovana andro aman’alina toy izao no lazaina hoe mahaleotena sy manana ny fiandrianany ? Sao tokony hanontany tena ihany ny mpitondra hoe lany andro amin’ny kabary sy fialana bala sa tena mamaha olana ?

Mirija

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT