Actualités

Tsiambaratelom-panjakana Lasa fialana bala


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016

Lasa lamaody ve izany izao, isak’izay misy fanontaniana saro-baliana ho an’ireo mpitondra ny mametraka azy ireny ho tsiambaratelom-panjakana?

 

Betsaka amin’izao fotoana izao ireo karazan-javatra heverina ho fototry ny fampandrosoana sehatra iray eto amin’ny firenena no toa lasa tsy misy valiny mazava fa manjavozavo sy manidintsidina hatrany. Hita, ohatra, izany tany amin’ny  taona 2008 tany ho any raha naely ny vaovao fa efa fantatra ny namono ny kolonely Ratsimandrava saingy mbola tsiambaratelom-panjakana ary tsy azo avokoa raha tsy afaka 40 taona. Dia toy izany koa ny mikasika ireo karazam-pitrandrahana tsy ankasitrahan’ny ankamaroan’ireo mponina amin’ny toerana be harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Toy ny iniana tsy atao ampy ve ny fanazavana amin’izay miteraka savorovoro mba hanehoana amin’ireo vahiny fa tsy milamina ny tany sy ny fanjakana? Ny tena mahagaga dia ny eo amin’ny sehatry ny kolotsaina koa dia lasa hahenoana valinteny fa tsiambaratelom-panjakana ny fanehoana sy fampiharana ny politikan’ny kolotsaina izay efa natolotra mpanakanto maromaro tamin’ny taona vitsivitsy lasa izay. Raha tsiahivina anefa dia ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana izany mihitsy (Unesco) no nampatsiahy fa tokony ho apetraka mazava isak’ireo firenena mpikambana ao aminy io politikan’ny kolontsaina io, mbola tsiambaratelo izany aloha hatreto ny momba ny politikan’ny kolotsaina eto Madagasikara.

Mirija     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT