Actualités

Tsiafahy- Grand Port Tanŕna roa mpirahavavy manomboka izao


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Mpirahavavy manomboka izao ny kaominina ambanivohitra Tsiafahy sy ny filankevitry ny distrikan’i Grand Port maorisianina, araka ny fifanarahana vita sonia in-droa miantoana teo amin’ny ben’ny tanŕna Randriamahefa Justin sy ny filohan’ny filankevitry ny distrika Yashveer Ruggoo.

. Miroso amin’ny dingana fandrafetana ireo drafitrasa avy hatrany ny komity misahana ny fampiharana ity fiaraha-miombon’antoka ho fifanomezan-tanana ho fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra ny mponina sy ny manodidina ao amin’ireto tanàna roa eto amin’ny ranomasina Indianina ireto. Misandrahaka amin’ny sehatra samihafa tahaka ny fanabeazana, ny kolontsaina, ny toekarena, ny fanatanjahantena na koa ny fanomezan-danja ny miralenta sy ny maro hafa ity fiaraha-miasa vaovao tsy voafaritry ny fotoana ity. Efa voaresaka, ohatra, ny fampiofanana ireo tanora Malagasy sy ny fifanakalozana atleta ary ny fizarana traikefa mafonja maorisianina amin’ny fandraisana olona eo amin’ny sehatry trano fandraisam-bahiny. Hohamafisina amin’ny fametrahana takela-bato eo ambany fiahian’ny masoivoho maorisianina miasa sy monina eto Madagasikara Gérard Lemaire sy ny mpiraki-draharaha Malagasy any Maorisy Via Richard mialoha ny faran’ny taona 2014 moa ity maha-mpirahavavy ny kaominina Tsiafahy sy filankevitry ny distrikan’i Grand Port ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT