Mitaraina ireo mpivarotra. Mikaikaika noho ny hafitsoky ny Sinoa ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy eto amintsika. Maty mantsy ny tsenan’izy ireo ary zara raha misy mividy,
raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Analakely ny sabotsy teo. Noho ny hamaroan’ireo arendrina vita sinoa sy ireo karazana kilalao mirehidrehitra no nambaran’izy ireo fa antony sady mora. 1.000 Ar mantsy dia efa mahazo ireny karazana peratra, fehin-tanana mirehitra ireny nefa sady misy ireo karazana kisary mahaliana sy manintona ny ankizy amin’ny horonantsary mihetsika na “dessin animé”ho an’ireo vita sinoa. Malaina ny hividy arendrina vita gasy, araka izany, ny ankamaroan’ny izay nomarihin’ireo mpivarotra fa somary lafo ny vidiny noho ny masonkarenany sy ny fotoana lany amin’ny fanamboarana azy ireny. 5.000 Ar ohatra no hanombanan’izy ireo ireny arendrina mihevotrevotra ireny raha 2.000 Ar ny mora indrindra. Raha ny tena marina anefa dia isika Malagasy no tokony hanjifa ny vita Malagasy sy hahay hifanohana satria fetim-pirenentsika ny 26 jona. Ekena fa ilaina ny fandrosoana saingy tokony homen-danja aloha ny an’ny tena vao ny an’ny hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.