Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.
Mahakasika asa fikojakojana any amin’ny SRTP Boeny izy io, izay iandraiketan’ny fiadidiam-paritry ny fanajariana ny tany ary ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy ao Boeny . Izay kandida, izany hoe ny orinasa liana amin’io tolotra io, dia tsy maintsy mandrotsa-bola 60 000Ar amina kaonty iray amin’ny banky amin’ny anarana « Fer Recettes Mahajanga », ka misy ny fanamarinana na « quittance » avy amin’ny sampandraharaha mpanara-maso ny tsenan’asam-panjakana (ARMP) rehefa manolotra ny taratasy nandrotsahana ny vola na aloa mivantana amin’ny Commission Régionale des Marchés (CRM) any Mahajanga. Mazava ho azy fa vola tsy miverina io arotsaka amin’ny kaontin’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) na Tahiry fikojakojana ny lalana io na lany hanao ilay asa na tsia tahaka ireny saram-pandraisana anjara amin’ny fifaninanana ireny. Ny 20 jona 2019 lasa teo anefa no nisy taratasy mitondra ny laharana 245-PRM/SG/DEJ avy amin’ny filoham-pirenena nankany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) handinika raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny didy hitsivolana n° 2019-012 sy n°2019-13 manafoana ny FER ka hananganana ny “Autorité Routière”. Nivoaka ny 5 jolay 2019 ny didin’ny HCC n°13-HCC/D3 nankato ny fangatahan’ny filoham-pirenena. Angaha tsy efa foana indray ny FER no mbola voaresaka amina tsenan’asam-panjakana misy fakana vola aman’olona te hahazo tsenan’asa ? Aiza ho aiza ny fahamatoran’ny fanjakana sy ny lanjan’ny fanapahan-kevitra goavana ara-panjakana amin’izao toe-javatra izao ? Porofo iray mivaingana maneho ny karazana aferafera maizina na tsy fahamatoran’ny fitondram-panjakana ankehitriny io, ka asa izay ho fanazavana izao toe-javatra izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.