Actualités

Tsenan’ny asa Mbola olana goavana eto Madagasikara


  • Zoma 16 Septambra 2016

Olana iray lehibe manahirana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny tsy fananana asa.

Samy miezaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny fitadiavam-bahaolana momba io tranga io na ny fanjakana na ny sehatra tsy miankina. Fitaovana fototra amin’izany, ohatra, ny fananana politika nasionaly mikasika ny asa sy ny fampiofanana ho matihanina. Efa nankatoavina tamin’ny taona 2015 izy ity, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera mpiahy. Tolo-tanana avy amin’ny «Management Ressources Humaines» kosa ny fanokafana tranonkala mifantoka tanteraka amin’ny asa sy ny fampiofanana. Natao indrindra izany ho fanamorana ny fahazoam-baovao samihafa momba ny tontolon’ny asa ho an’ireo sokajin’olona manana fahasahiranana manokana amin’ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa, hoy ny tale jeneralin’ny MRH Rafik Mohamedaly. Hita ao anatin’ny tranonkala avokoa moa ireo zavatra mahaliana sy manintona rehetra manodidina ny sehatry ny asa. Tsy misy afa-tsy ny 1/10-n’ireo mitady asa hatreto no voaray miasa ao anatin’ny fifanarahana ara-dalàna, araka ny fanadihadiana tsotsotra nataon’ity ivontoerana mifantoka manokana amin’ny tontolon’ny asa ity. Mahatratra 28.500 ireo fangatahana asa. 7.463 kosa ireo tolotra asa ary 2.032 ireo nisitraka asa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT