Hisitraka tsy ho ela ireo tombontsoan’ny tsenan’ny «African Growth and Opportunity Act» ny firenena Malagasy, araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, ary araka ny tenin’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana dia mety ho amin’ny 2015 no tena hiverina tanteraka ny AGOA
Voatsonga ao anatin’ny lisitra vaovaon’ireo firenena Afrikanina afaka hanondran’entana amin’ny haba ambany any Etazonia indray izany i Madagasikara manomboka izao. Sokajim-bokatra fanondrana miisa hatrany amin’ny 7.000 toy ny fanenomana, karazan-tsakay, menaka manitra, kafe, dite, lavanilina, cacao ary vato sy vy sarobidy. Nahafeno ireo fepetra rehetra notakian’ny governemanta amerikanina ny mpitondra fanjakana Malagasy, hoy ny fanazavana hita ao anatin’ity fanambaran’ny minisitera tompon’andraikitra ity. Ny fampahafantarana ny fiverenan’ireo asa ara-barotra eo anivon’ny Agoa avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana amerikanina sisa no andrasana, raha ny fanamarihan’ny fanambarana avy amin’ny minisitera. Antenaina fa tsy hijanona ho resaka ambony latabatra tahaka ireo fampanantenana efa nandrasana tao anatin’ny enim-bolana mahery avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny ity fisokafan’ny tsena Agoa miantraika mivantana amin’ireo mpiasa very asa an’hetsiny nanomboka tamin’ny taona 2009 ity indray mitoraka ity.
Hamorona asa vaovao 200 000
Tombanana ho olona 200 000 no hahazo asa avy amin’ny fiverenan’ny tenan’ny AGOA, tsy maintsy misy fiomanana anefa izany rehetra izany ka izay indrindra no nanaovana ny karazana atrikasa teny amin’ny hotely Carlton omaly niarahana tamin-dry zareo Amerikanina izay nokarakarain’ny USAID/EATH sy ny GEFP ary ny AMCHAM. Ilaina ny fihaonana tahaka izao satria misy ny fepetra sy torohevitra ary toromarika tsara ho fantatry ny orinas amalagasy te hiditra amin’ny tsenan’ny AGOA hoy ny mpiandraiki-draharaha Amerikanina eto amintsika Atoa Stephan Anderson. Azo ampiasaina amin’ny fanondranana entana na fifanakalozana ara-barotra mety hataon’ny orinasa Malagasy amina firenena hafa any ivelany ireo torohevitra ireo fa tsy hoe ho an’ny AGOA irery ihany, hoy hatrany ny fanazavana omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.