Misy mitady hanangana “ pavillon” tsy ara-dalŕna ao amin’ny tsenan’i Mahitsy, kaominina ambanivohitra Mahitsy amin’izao fotoana izao.
Tsy nifampiresahana tamin’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana sy ny lehiben’ny tsena akory izany, raha araka ny loharanom-baovao azo. Vokany, velon-taraina tanteraka ny lehiben’ny tsena Andriamatoa Maminiaina Johnny satria na dia ny tenany aza ankehitriny mitady ho voadingana amin’ny asa nampandraiketana azy. Raha tsiahivina anefa dia anisan’ny tsena tena mampidi-bola ho an’ny kaominina Mahitsy tokoa ity tsena iray ity noho ny hamaroan’ireo tantsaha mpamokatra ao aminy. Ankoatra ny akoho dia anisan’ny tena mampahalaza azy ny atody satria dia ireo mponina avy any Mahazaza avokoa no mamatsy atody ny eto an-drenivohitra… Isaky ny Sabotsy no andro tsena any an-toerana izay mahavory olona an-jatony hatrany amin’ny ankapobeny. Inoana araka izany fa hisy ny fijeren’ireo tompon’andraikitry eo anivon’ny kaominina Mahitsy mikasika ity tsena ity hisorohana ny olana mety hitranga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.