Ramatoa manodidina ny 49 taona no tratran’ny sinto-mahery tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly. Raha ny fitantaran’ny niharam-boina dia ankevitry ny efa nanaraka azy efa ela ilay jiolahy saingy niandry kendritohina fotsiny dia nanao ny asa ratsiny
Hitany foana mantsy ity olona ity tamin’ny toeram-piantsenana nalehany omaly io. Raha ny fanazavany ihany dia tovolahy mbola vao herotrerony ihany no nanendaka azy satria zara raha misy 17 taona. Raha ny nambaran’ny iray tamin’ireo nanatri-maso dia monina tsy lavitra eo ity tovolahy mpanao sinto-mahery ity. Tato ho ato dia betsaka ny olona no mitaraina amin’ny asa ratsy samihafa amin’iny faritra Mahamasina iny, indrindra rehefa andro tsena. Nilaza koa izy ireo fa na amin’ny andro antoandro aza dia misy sahy manafika ihany koa ireo jiolahy ary mitam-piadiana mihitsy aza ny sasany. Mandry andriran’antsy ny mponina noho ny horohoro ary tsy mifampatoky intsony na dia misy paositry ny polisy aza tsy lavitra eo. Araka izany dia mangataka izy ireo ny tokony hanamafisana sy hanaovan’ny mpitandro ny filaminana fihodinana ny tanàna na andro na alina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.