Taorian’ny fidinan’ny Emmo-reg teny amin’ny tsenan’ny Bagdad 67 ha ny alatsinainy hariva lasa teo mikasika ny tsy maintsy hanalana ireo mpivarotra amin’ny toerany dia nanamafy ireto farany
omaly fa hanao izay hihazonana io toerana io mba hahafahany mivarotra, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Raha tsiahivina, tonga nametraka peta-drindrina teny an-toerana afak’omaly maraina ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina izay milaza fa tsy maintsy miala tsy misy hatak’andro ireto mpivarotra ireto. Raha ny nifanarahan’ireto farany tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina anefa dia hafindra toerana izy ireo saingy aorian’ny fety kosa. Vokany, nitroatra ny mpivarotra ka nivoaka nilanja sorabaventy teny amin’ny arabe naneho ny tsy fahafaliany. Tonga nanaraka ny hetsika ny Emmo-reg izay marihina fa nijery fotsiny fa tsy nanao na inona na inona. Hatramin’ny omaly anefa, tsy mbola nisy ny fanalana mpivarotra. Raha ny nambaran’ireo mpivarotra moa dia namidin’ny Seimad amin’ny Jovenna ity tsena Bagdad etsy amin’ny 67 ha ity, antony tsy maintsy hanalana azy 600 isa amin’ny toerany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.