Nahitana lafarinina tamin’ny kitapo maromaro tsy azo antoka teny amin’ny tsenan’Anosibe omaly. Tonga nidina ifotony nanamarina ny zava-misy teny an-toerana ny avy eo anivon’ny GARDUC,
fikambanana miaro ny mpanjifa izay manana ny foiben-toerany eny Soarano-Analakely sy ny teknisianina avy ao amin'ny sampandraharaha misahana ny hosoka (Direction des Fraudes) eo anivon’ny minisiteran’ny varotra. Hita teny amin'ny tsenan'Anosibe tokoa ny kitapon-dafarinina somary hafahafa satria tsy nahitana etikety hahafantarana ny momba ny entana na ny daty hahafahana mampiasa azy. Manoloana izany dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny sampandraharaha ao amin'ny minisiteran’ny varotra. Ny GARDUC ihany koa dia tsy hipetra-potsiny fa nilaza ny hanaraka akaiky ity tranga ity ary tsy hamela mora foana izany satria manapoizina ny Malagasy maro, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao, hoy ny filohany Leroy Henri. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa miparitaka eny an-tsena amin’izao fotoana ireo karazana sakafo lany daty izay efa tena poizina mihitsy ny sasany koa mampitandrina ny mpanjifa rehetra ny tompon’andraikitra. Anisan’izany ny bisikoitra izay tena be mpihinana tokoa rehefa fety tahaka izao, ny vatomamy, …izay tena mora vidy tokoa, raha oharina amin’ny hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.