Actualités

Tsenan’Anosibe Nahitana aretin-kibo hafahafa


  • Zoma 08 Aprily 2016

Nahitana aretin-kibo hafahafa teny amin’ny tsenan’Anosibe, araka ny tatitra nataon’ny BMH Isotry tamin’ny mpanao gazety omaly, sampandraharaha iray eo ambany fiahian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

 

. Mifindra izy io ka olona maromaro no  efa voany na ankizy na olon-dehibe. Nisy avy hatrany ny fandraisan’andraikitra nataon’ny BMH, toy ny fanadiovana ny tsena, ny fandrarahana ranom-panafody namonoana ny otrikaretina sy ireo karazana bibikely toy ny lalitra. Vokatry ny loto no nahatonga ity aretin-kibo ity, hoy ny dokotera Herivonona, lehiben’ny sampandraharahan’ny fahadiovana sy ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny BMH. Nisy ihany koa ny fanentanana nataon’izy ireo tamin’ny mpivarotra mba samy handala ny fahadiovana ho fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra. Saika avy ao amin’ny tsenan’Anosibe avokoa mantsy no mivoaka ny karazan-tsakafo rehetra toy ny legioma, ny voankazo … Nomarihin’ity dokotera ity fa tsy azo ekena intsony amin’izao  ny fivarotana sakafo mipetraka amin’ny tany fa tsy maintsy atao 70 sm miakatra miala amin’ny tany izany, hiarovana amin’ny loto. Miantso ireo mbola manahy trangan’aretina hafahafa izy ireo, araka izany, mba hanatona tobim-pitsaboana avy hatrany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT