Mba hisian’ny filaminana sy ny fandrindrana ny tsenan’Andravoahangy dia notolorana karatra matihanina avokoa ireo mpivarotra ao an-toerana.
Niarahan’ny lehiben’ny tsena Andrianasoloniaina Fidimalala sy ny kaominina Antananarivo renivohitra izany mba hahafahana mamantatra marina ny isan’ny mpivarotra sy ho tombontsoan’izy ireo. Na izany aza anisan’ny tena mbola mampitaraina ireo mpivarotra ireo ny resaka tsy fandriampahalemana. Raha araka ny fanazavan’Andrianasoloniaina Fidimalala, lehiben’ny tsena hatrany dia efa misy ny fijerena akaiky izany toy ny fiaraha-miasa amin’ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana sivily karamain’ny fokontany ao Andravoahangy mba hanara-maso ny fandriampahalemana eny an- toerana. Nampandraisina andraikitra kosa ny mpivarotra mikasika ny fahadiovana manokana ka anisan’ireny ny fampandraisana azy ireo kofafa sy sobika mba hanadio ny manodidina manodidina azy sy ny toerana hivarotanyankoatra ireo olona karamain’ny tsena hanampy azy ireo amin’izany. Mikasika ny haba alaina amin’ny mpivarotra moa dia arakaraka ny entana amidy sy ny toerana ilaina no andoavana ny vola. Miainga amin’ny 300 Ariary hatramin’ny 500 Ariary isan’andro isaky ny metatra tora-droa izany. Ny olona avy amin’ny tsena ihany no manangona ny vola ary mizara ny tapakila amin’ny mpivarotra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.