Nodiovina ny Tsenan’Ambohimanarina. Tsy nahalalana andro ny asa, ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Nifarimbona tamin’izany ny fiadiadiana ny tanàna tamin’ny alalan’ny Boriborintany faha-6 sy ny “pompier”. Fanambin’ny tanànan’Antananarivo ny hanadiovana ireo tsena rehetra eto an-drenivohitra. Nosantarina teny amin’ny tsenan’Anosibe izany, dia izao nitohy teny amin’ny tsenan’Ambohimanarina omaly izao. Afaka ny loto sy fako, namiratra indray ny tsena. Fito taona tsy nahalala izany fanadiovana goavana toy ity natao omaly ity ny tsenan’Ambohimanarina. Faly ny mponina, ary nanome toky fa handray an-tanana ny fikajiana ny fotodrafitrasa, namboarin’ny fitondrana Ravalomanana ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.