Actualités

Tsenam-panjakana Mitaky ny fampiharana ny lalŕna ny Eoropeanina


  • Talata 26 Aprily 2016

Maro amin’ireo orinasam-panjakana no mandika lalŕna amin’ny fanomezana ireo tsenam-panjakana. 4 amin’ireo orinasa 22 eo ambany fitantanan’ny fanjakana mantsy no mba manaja izany,

 

 araka ny tarehimarika navoakan’ny teo anivon’ny fitantanana ankapobeny ny Tahirimbolam-panjakana. Takian’ny Vondrona eoropeanina ho takalon’ny fanampiana ny tetibolam-panjakana Malagasy rahateo ankehitriny ny fampiharana ny lalàna mifehy ny tsenam-panjakana eto Madagasikara. Fepetra izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fitantanana mangarahara ny fandaniam-bolam-bahoaka. Manana hatramin’ny volana febroary 2017 ireo orinasam-panjakana hanaraka an-tsakany sy an-davany ny lalàna velona momba ny tsenam-panjakana. Hisy kosa ny dingana fitsapana ny ezaka vita amin’ny volana septambra 2016. Andraikitry ny «Autorité de Régulation des Marchés Publics»  moa ny manentana ireo mpitantana ireo orinasam-panjakana. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa nandritra ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny taona 2006 no nampiharina voalohany ny lalàna mifehy ny tsenam-panjakana izay nivoaka ny taona 2004. Nijanona kosa izany rehefa tonga ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT