Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 22 Aprily avy izao indray etsy amin’ny Esplanade Antaninarenina ny tsenam-boky andiany faha-12 karakarain’ny “Association des editeurs de Madagascar” sy ny mpikarakara ny fihaonambe an-tampony faha-XVI ho an’ny tany
mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Trano eva manodidina ny 15 isa no handray anjara amin’izany izay samy hivarotra ireo karazam-boky ilaina amin’ny fiainana andavanandro avokoa, indrindra fa ho an’ireo mpianatra. Toy ny isan-taona dia hisy ny fihenam-bidy raha araka ny fanazavana azo saingy hampiavaka ity andiany ity ny fandehanan’ny fikambanana irery noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. “ Ny boky sy ny kolontsaina marolahy”, no lohahevitra entina hanamarihana ny hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny boky sy ny zon’ny mpamorona izay hankalazaina ny 23 aprily ho avy izao. Tsiahivina moa fa fahombiazana tanteraka no azo tamin’ny hetsika andiany faha-11. Nahatratra 22.000 isa mantsy ny mpitsidika izay ezahina hihoatra avo roa heny noho io isa voalaza io, raha araka ny fanazavana azo hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.