Raha ny tsenam-baro-panjakana no lalana iray hahafahana mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ireo fananganana
fotodrafitrasa maro isan-tsokajiny dia ity sehatra ity no nambaran’Atoa Andrianarison Gervais filoha vonjimaikan’ny OIMP ( Observatoire indépendent du marché publique) fa tena misy lavaka be indrindra eto amintsika. Saika mihazakazaka ny hanao tale jeneraly, sekretera jeneraly, solombavambahoaka avokoa, hoy izy ireo olom-pirenena aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara noho io resaka tsenam-baro-panjakana io ihany. Tsy maharitra ho an’ny taranaka akory anefa ny fotodrafitrasa haorin’izy ireny ho an’ny taranaka fa vao misy ranon’orana indray alina, ohatra, dia potika ny toho-drano, tsy ampy herintaona dia mitete ny tafon-tsekoly…. Noho ireo antony maro ireo no nijoroan’ny OIMP izay vao sambany no nijoroany teto Madagasikara, tohanan’ny PNUD. Fiarahamonim-pirenena avokoa ireo mpikambana ao anatiny ka ny tanjon’izy ireo dia ny hanara-maso ireo asa tanterahina ao anatin’ny tsenam-baro-panjakana any amin’ny faritra misy azy avy ho fanampiana ny fitondram-panjakana. Efa nisy, raha ny fantatra, ireo olona nahitan’ny OIMP fihetsika tsy manjary ary efa nampahafantarin’izy ireo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izany, ireto farany kosa no tompon-teny farany ny amin’ny fitoriana azy. Nisy moa ny fihaonam-be voalohany notanterahin’ireo mpikambana ny alarobia lasa teo hahafahana mametraka ireo paikady hitondrana ny tolona. Narahin’ny fiofanana avy hatrany izany, hifarana amin’ity faran’ny herinandro ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.