Raikitra indray ny andiany fahadimy amin’ny tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia, karakarain’ny Show bizz company, etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Ny 30 oktobra ka hatramin’ny 01 novambra ho avy izao indray no hanatanterahana azy, hetsika eo ambany fanaraha-mason’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo. Hampiavaka ity andiany ity ny fisian’ireo karazan’entana hiaka farany momba ny fikarakarana sakafo ao an-dakozia ankoatra ireo sakafo amin’ny vidiny eny amin’ny ozinina mpamokatra. Mahatratra 120 ireo tranoheva handray anjara amin’izany izay nomarihin-dRakotoarivao Tsiory, mpitantana ny Show bizz company fa efa matihanina avokoa. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny vehivavy amin’ny fikarakarana sakafo sy ny kojakoja mifandraika amin’izany. 2.000 Ar no vidim-pidirana. Manodidina ny 25.000 eo ho eo moa ireo mpitsidika andrasana amin’izany, hetsika izay nahitam-pahombiazana hatrany hatramin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.