Actualités

Tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia Hanomboka ny 28 aprily


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Raikitra indray ny tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia. Hotanterahina manomboka ny 28 aprily ho avy izao, haharitra efatra andro ny andiany fahenina karakarain’ny Showbiz Company.

 

 Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hanatanterahana izany, ahitana tranoheva hatrany amin’ny 120 isa. Hampiavaka ity andiany ity, hoy Rakotovao Tsiory, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Showbiz ny fisian’ilay antsoina hoe : food court, sakafo azon’ny rehetra hanina amin’ny toerana tiany hipetrahana ao amin’ny lapan’ny kolontsaina mandritra ny fiantsenana raha eo ihany koa ny fisian’ilay machine à billet hahazoana vola manomboka amin’ny 5.000 ka hatramin’ny 40.000 Ar hahafahana misakafo ao amin’ny food court. Ireo olona telo voalohany tonga hanatrika ny hetsika no hahazo maimaimpoana izany ankoatra ireo hahazo ny laharana 100, 200, 300, 400….Hampiavaka ity hetsika ity hetsika ity ihany koa ny fisian’ny fihenam-bidy amin’ireo karazana kojakojan-dakozia rehetra amin’ny alalan’ny fampihaonana mivantana ny mpividy sy ny mpivarotra. Tanjona ny hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fividianana sakafo azo antoka sy ny kojakoja hampiasaina mifandraika amin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT