Actualités

TSENABEN’NY SAKAFO SY NY LAKOZIA 25.000 isa ireo mpitsidika andrasana


  • Zoma 29 Aprily 2016

Nanomboka omaly alakamisy 28 aprily haharitra efatra andro ilay tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahenina, karakarain’ny Showbiz Company,

 etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Tafakatra 140 isa ireo tranoheva mandray anjara raha 120 ireo voasoratra anarana  izay marihina fa mivarotra ireo kojakoja ilaina ao an-dakozia avokoa, amin’ny vidiny mbola any amin’ny ozinina. Toraka izany koa ny sakafo, hetsika entina hanomezana fahafaham-po  ny isan-tokantrano, indrindra fa ny renim-pianakaviana. Raha ny fanazavan-dRakotoarivao Tsiory, tompon’andraikitra voalohany dia manodidina ny 25.000 isa ireo mpitsidika andrasana, hetsika izay tena hiavaka tokoa. Tsiahivina moa fa fahombiazana hatrany ny hetsika tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia hatramin’izay teto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT