Vita iny ny fety ka ho avy amin’izay ny asa, ho an’ny kaominin’Antananarivo renivohitra manokana dia maro ny asa miandry ka anisan’izany ny fandaminana ny tsena.
Tsy maintsy irosoana io fandaminana io hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny CUA satria tsy azo ekena ny gaboraraka sy ny fandikan-dalàna.Niaraha-nahita tamin’iny vanim-potoana mialoha sy nandritra ny fety iny tokoa fa tena nikorontana ny renivohitra noho ny fahamaroan’ny mpivarotra tsy amoron-dalana intsony fa efa teny ao anaty arabe, manampy azy ireo mpividy maro be mifamezivezy etsy sy eroa, efa tsy resahana intsony ny fitohanan’ny fifamoivoizana satria nihena ny arabe afaka nandehanan’ny fiara.Nanomboka ny 15 desambra 2015 ary nifarana ny 3 janoary 2016 ny Bazar de Noel ka aorian’io no irosoana amin’izay ny fanadiovana sy ny fandaminana.Efa hatrany am-boalohany kosa anefa ny mpitantana tao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra no nilaza fa tsy fanenjika eraky ny arabe no ataon’ny mpiasan’ny CUA sy ny mpivarotra fa tsy maintsy miresaka aloha mikaroka ny vahaolana mahomby amin’ny fandaminana ny tsena sy ny mpivarotra amoron-dalana.Na izany aza efa tsy maintsy manana ny eritreriny momba io tsena io ihany ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy ka miandry izay ho tohin’ity resaka ity ny rehetra satria tokony ho ao anaty tsena ny mivarotra, ny fiara eny amin’ny arabe ary mpandeha an-tongotra kosa eny amin’ny trottoir, izay ilay resaka « discipline » naverimberi’i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny propagandy ka tonga amin’izay ary izao ny fotoana ampiharan’ny rehetra azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.