Actualités

Tsena sy fanjifana Miala any ny menaka TIKO


  • Zoma 05 Febroary 2016

Miasa mangina, tsy be tabataba. Mitana ny teny nomeny i Marc Ravalomanana, filoha mpanorina ny orinasa TIKO. Fantatra izao fa miala any ny menaka fihinana vokarin’ny TIKO, ary hanomboka ho tazana eny an-tsena ato ho ato.

 


Na mbola tany an-tsesitany tany Afrika Atsimo na izy tafaverina an-tanindrazana dia nanamafy hatrany fa hiverina hisokatra ny TIKO, hanasoavana ny mpiara-belona. Naverimberiny tamin’izany fa hatokany hanompoana sy hanasoavana ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy ny andro sisa ivelomany. Manao ny fomba rehetra tsy hisokafan’izany orinasa izany ny fanjakana, milaza fa ananana trosa, hetra, ananany vidin-jiro. Raha namonjy hetsika ara-toekarena iray teny Tanjombato i Marc Ravalomanana tamin’ny taon-dasa dia nanambara ampahibemaso fa vonona handoa ny hetra tsy voalohany, ary vonona hanefa ny vidin-jiro nampiasainy ka tsy mbola voaefa. Mihodinkodina ny fanjakana, mba tsy hilazana fa mitsivalana. Nohamafisin’i Marc Ravalomanana indray ny nambarany, raha nidina nijery ny taniny teny Andohatapenaka izy fa raha sakanan’ny fanjakana ny fisokafan’ny TIKO dia hanangana orinasa hafa izy MIGRO na MIKO. Tiko International SA moa no re fa natsangany. Raha ny tetiandro dia tamin’ny fetin’ny faran’ny taona iny no tokony efa nitobaka teny an-tsena ny sakafo vokariny saingy nihazakazahan’ny fanjakana ny fanakanana izany tamin’ny alalan’ny fanapahana ny herinaratra tao amin’ny orinasa. Niandry ny fahatongavan’ny gropy mpihary herinaratra mahaleotena ho an’ny orinasa indray ny TIKO vao nanohy ny famokarany. Re izao fa dia miala any ny menaka fihinana. Fiaraha-miasa amina orinasa any Malezia any izy ity. Fiaraben’ny TIKO no mitatitra ny menaka efa voadio, miazo an’i Tsaramasoandro – Antsirabe. Ao indray no tsinjaraina amin’ny tavoahangy, mialoha ny hahatongavany eny an-tsena ho an’ny mpanjifa. Ho etikety amin’ny anaran’ny orinasa vaovao no hisehoany araka ny loharanom-baovao.

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT