500 000 Ar ny hofan-trano ambany indrindra ary tafakatra 1 000 000 Ar ny ambony indrindra amin’ireny tsena lehibe hofaina amin’ny sinoa ireny (centre commercial) ka ny ambany rihana no lafo kokoa noho ny any ambony amin’ny ankapobeny.
Amin’izao fotoana dia mikaikaika ireo mpivarotra fa mamofompofona fanondrotana hofantrano eny amin’ireny toerana ireny. Efa tamin’ny volana desambra teo mantsy no nampahafantatra ireo sinoa tompon’ny tsena ireo fa efa tokony hiakatra ny hofantrano saingy noho ny fifampitsinjovana, hoy izy ireo dia aleo hiandry ny taona vaovao. Feno fanahiana hatrany ireo mpivarotra satria vao miandoha ny taona dia ho tojo fampiakarana hofantrano izy ireo. Ny tsena anefa tena iaraha-mahalala fa tsy tahaka ny taloha intsony fa zara raha mahavelona fotsiny, hoy izy ireo. Ireo mpandraharaha mpanafatra entana any Sina moa no tena manofa ny trano fivarotana amin’ny sinoa ary efa velon-taraina mihitsy izy ireo ny amin’ny ataon’ny tompon-trano, indrindra rehefa mba tara ny hofantrano. Misy mantsy ny zana-bola mitomboka (majoration) isan’andro rehefa tara fandoavana ny mpanofa. Ankoatra ny hoe tompony mangatak’atiny izany ny Malagasy dia hisedra sahady ny fisondrotana hofantrano indray. Hiakatra 10 hatramin’ny 40% eo izany amin’ity janoary ity kanefa io volana io sy ny febroary no tena tsy misy tsena, hoy ny mpivarotra ary io ilay ataon’izy ireo hoe “mauvais mois”.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.