Mihorohoro indray ireo mpivarotra etsy amin’ny tsena Firaisankina Anosizato Atsinanana amin’izao fotoana izao. Hatramin’ny alahady lasa teo mantsy dia misy olona telolahy milaza ho mpiasan’ny fivondronana tonga mitaky vola 300 Ar isaky ny mpivarotra ka izany antsoina hoe : B…
izany no mpitarika azy ireo. Mandrahona sy mifaoka entan’olona toy ny sigara, ny sakafo, ny voankazo izy ireo rehefa tsy mahazo io lelavola 300 Ar tadiaviny io izay miaraka amina gros bras maromaro mihitsy. Ankoatra izay dia milaza fa handrava ny tsena ihany koa izy ireo, mbola tohin’ilay fakana 300 Ar isaky ny mpivarotra ihany. Mitaky mpitandro ny filaminana hanara-maso sy hisambotra azy ireo ny mpivarotra etsy amin’ny tsena Firaisankina Anosizato Atsinanana. Ahiahian’ny maro moa ny fitadiavan’ny sasany hevitra entina haminganana an’i Neny Lalao Ravalomanana amin’ity raharaha ity koa hanaovana antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.