Actualités

TSENA COUM - 67 HA Nofefen’ny Emmo-Reg omaly maraina


  • Talata 09 Desambra 2014

Nofefen’ny Emmo-Reg omaly maraina ny tsenan’i Bagdad etsy amin’ny Coum 67 ha. Mirefy 30 metatra amin’ny 50 metatra izy io, raha 20 metatra amin’ny 70 metatra no voalazan-dRakotoarison Menja

, solontenan’ny mpivarotra fa ilain’ny  orinasa Seimad. Misy mpivarotra 500 ao anatin’io faritra voafefy io. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana  dia omaly tamin’ny 5 ora maraina no tonga tao amin’ity tsena ity ny vadintany iray, niaraka tamin’ny Emmo-Reg sy ny Emmo sécurité  tanatina fiara 4x4 miisa efatra ary ny solontena avy amin’ny orinasa Seimad. Ny mpiambina ny tsena no nampandre ireo mpivarotra nandritra izany, ireto farany izay mbola manana ady amin’ity orinasa iray ity sy ny fivondronana eny amin’ny tribonaly. Nambaran’ny vadintany tamin’ny solontenan’ny mpivarotra tamin’izany fa nahazo didy avy tamin’ny tribonaly izy ireo ka tsy maintsy manao ny asany. Eo an-danin’izay anefa dia anio talata 09 desambra no hiakatra fitsarana ny ady maika nitorian’ireto mpivarotra 500 ireto ny fivondronana sy ny Seimad raha amin’ny volana febroary kosa ny ady fototra. Manoloana  izany dia mbola manohy ny asa fivarotany toy ny andavanandro ihany ireto mpivarotra miisa 500 ireto. Na izany aza anefa dia miandry ny fanohanan’ny mpisolovavany kosa izy ireo hahafahana mamaha ny olana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT