Actualités

Tsena « Art Malagasy route digue » Misy manodinkodin-dresaka


  • Alarobia 09 Martsa 2016

Mitaraina ka manaitra ny sain’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa ry zareo mpivarotra “Art Malagasy” eny amin’ny

“route digue” mihazo ny tanànan’Ambohitrimanjaka iny fa be ireo mamadi-dresaka amin’ny hisian’ny fanamboarana hatao eny an-toerana atsy ho atsy noho iny faritra iny tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena amin’ny fanamboaran-dalana handraisana ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia hotanterahina eto amintsika amin’ity taona 2016 ity. Efa nanazava moa ny minisiteran’ny asa vaventy izay tompo-mariky ny asa fa ny ilany an-kavia amin’ireo mpivarotra raha ho any Ambohitrimanja no ho voakasik’izany tetikasa izany ka tsy maintsy hesorina amin’ny toerana ireo mpivarotra fa ny ilany havanana kosa dia mijanona eo ihany. Misy miketriketrika resaka hafahafa anefa ka mandefa fikambanana samihafa handemy ny sain’ireo mpivarotra mba hanaiky ny fialana amin’ny toerana koa nefa ao ambadik’izany dia misy tombontsoan’olon-tokana tiana harovana ao. Marihanay, hoy ireto mpivarotra mitaraina ireo fa efa mamaramparana ny antontan-taratasy hamindrana tanteraka amin’ny anaranay mpivarotra ity toerana ity izahay ankehitriny.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT