Lohahevitra mandritra ity herinandro ny hoe: “Mila didy jadona ve ny Malagasy mba hampandroso azy ?”.
Antony nisafidianana io lohahevitra io ny fahatsapana fa manjaka ny gaboraraka, goragora ny fampiharana ny lalàna. Zary raisin’ny fiarahamonina ankehitriny ho fahalalahana ny gaboraraka ka raha voakitikitika kely ny olona dia mahatsiaro voatohintohina. Noho izany indrindra no nametrahana ny lohahevitra ka ananan’ny isam-batan’olona safidy hoe apetraka eto amin’ny firenena ve ny fitsipi-pifehezana hentitra mba hanajan’ny tsirairay ny lamina miteraka fampandrosoana ? Sa hiaina lava ao anaty fahalalahana tsy mitondra mankaiza fa vao mainka mandetika ny firenena isika Malagasy ? Azon’ny tsirairay atao ny mitsidika ny pejy Facebook Tia Tanindrazana sy ny tranonkalan’ny gazety. Maro rahateo ireo lahatsoratra azon’ny olom-pirenena vakiana ary azon’ny isam-batan’olona atao ny manolotra soso-kevitra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.