Actualités

Tsaho sy honohono etsy sy eroa Efa tena diso tafahoatra


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Antony iray mahatonga savorovoro sy fifamaliana any anaty fiarahamonina tamin’ity fifidianana 2018 ity ny resaka tsaho sy honohono miparitaka, na io amin’ny fanehoan-kevitry ny mpihaino amin’ny onjampeo na any anaty tambajotran-tserasera sosialy tahaka ny facebook.

 

 

 

Efa ho an-jatony isan’andro mantsy ny karazam-baovao mifamoivoy, mivoaka fotsiny tsy misy hoe ahoana. Ny olona mamoaka azy mety manova anarana sy mampiasa ilay antsoina hoe « compte fake » miainga amin’ny fanehoan-kevitra momba ny fiainana andavanandro, fandefasana tranga niseho tampoka tahaka ny hain-trano, lozam-pifamoivoizana na fanafihan-jiolahy ary mazava ho azy fa tonga any amin’ny resaka politika ilay izy. Eo no manahirana satria samy manana ny filazany arakaraka ny firehana politika ananany ny tsirairay. Ny olom-pirenena izay maro be no tsy maharaka ny 80% na ny 90%-n’ny tontolo politika akory kanefa dia efa mifanebaka sy mifanaratsy. Lasa fanosoram-potaka sy fanalam-baraka ilay izy avy eo. Tsy azo ampitoviana amin’ny any ivelany velively ny eto Madagasikara satria ny fiarahamonina sy ny fomba tena samy hafa, ny fari-piainana mifanalavitra be, ny endri-pitantanana tsy mitovy, hany ka tena fahadisoana ary mety fahotana mahafaty mihitsy aza ny mialokaloka ao ambadik’ilay hoe « fahafahana maneho hevitra » sy ny hoe « « demokrasia » izay tsy midika velively hoe samy manao izay tiany sy samy miteny izay maha diavolana ny fony. Ary ny tena loza dia rehefa ny olona heverina fa matihanina amin’ny fikirakirana sy filazana vaovao no mibolisatra any amin’io honohono sy fanapariaham-baovao manahirana mety hiteraka fifanandrafiana anaty fiarahamonina io. Misy ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fandikan-dalàna amin’ny internet na « cybercriminalité » eto Madagasikara saingy toa mitazam-potsiny aloha hatreto ny manampahefana, kanefa efa misy resaka tena faran’izay mihoa-pefy any anaty facebook, ary Malagasy no manoratra sy mamoaka azy. Efa misy fifamonoan’ny mpisera facebook mifanipa-kevitra ve vao hihetsika ireo manampahefana dia hanaboribory resaka sy hamono afo indray e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT