Hafalian’ny hafa tokoa ny fahorian’ny sasany raha ny zava-nisy tao Toamasina omaly alahady tamin’ny fanelezana tsaho tamin’ny fiantsoana tamin’ny finday,
fa hoe « mahafaty ny rano raha vao mipoitra sy azon’ny masoandro ». Izany araka ilay tsaho niniana naely tamin’ny fiantsona finday ny sabotsy hariva sy alina io dia vokatry ny fahalotoan’ny lanitra ka ny taramasoandro no mitondra poizina ety an-tany ary ny rano sy ny sakafo no tena hitoerany, hoy hatrany ilay tsaho. Niteraka tahotra sy ahiahy ho an’ny vahoakan’i Toamasina izany. Fantatra ihany koa tratra ny tany SAVA sy Analanjirofo ary ireo distrika maro eo anivon’ny faritra Atsinanana, ka voatery niari-tory mandra-maraina nanangon-drano sy nahandro ny sakafo hanina ny alahady noho ny tahotra ny tara-masoandro mahafaty amin’ny rano sy ny sakafo. Raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra samy hafa tao Toamasina tamin’ny alalan’ny prefe, Atoa Benandrasana Cyrille, dia tena matihanina mihitsy ireo mpandefa ny tsaho ka niraikitra tao an-dohan’ny vahoaka izany, nefa tsy mitombina sy tsy marina. Efa manokatra fikarohana ny tompon’andraikitra any an-toerana mba hamantarana ny mpanely tsaho sy ny tanjon’izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.