Hamoaka ny rakikirany vaovao faharoa ny tarika TDL ( True Direction Life). Ny 4 jona ho avy izao, alahadin’ny pentekosta no hamoahana amim-pomba ofisialy izany etsy Antsahamanitra mandritra ilay fampisehoana goavambe izay hotanterahin’izy ireo eto an-drenivohitra.
Toy ny fanaon’izy ireo raha araka ny fanazavan’i Fanjanirina Rasoarimalala, tompon’andraikitra ao amin’ny tarika dia tena hiavaka tokoa ity rakikira vaovao ity satria dia ahitana hira miisa 15 be izao. Ankoatra izay, hoy izy, dia maro amin’ireo hira efa tsy afaka am-bavan’ny maro no horaketina ao anatin’io rakikira vaovao io toy ilay mitondra ny lohateny hoe : “tsy hanan-java-mahory” izay efa rentsika eny anivon’ny vata fandrenesam-peo isan-karazany eny. Nomarihin’i Fanja manokana moa fa anisan’ny antony tsy dia hanaovany fampisehoana matetika eto an-drenivohitra ny tsy fisian’ny toerana. Betsaka anefa, hoy ireo mpikambana ao amin’ny tarika no nahita fahasoavana tamin’ny hira navoakan’izy ireo toy ireo sitrana, ireo votsotra teo am-bavam-pamoizam-po … Ny sabotsy mialoha ny pentekosta vao hatonta ity rakikira vaovaon’ny TDL ity hialana amin’ny piraty.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.