Actualités

Trosa ivelany Mahatratra 40%-n’ny vokatra anatin’i Madagasikara


  • Alakamisy 15 Septambra 2016

Hiampy 370 tapitrisa euros miaraka amin’ny zana-bola 0,01% ny trosa vaovao hobaben’ny taranaka Malagasy ao anatin’ny 40 taona manaraka.

 Io indray mantsy no fampindramam-bola nomen’ny fanjakana japoney hanatontosana ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina eto Madagasikara, araka ny tinapaka nandritra ny fivoriana Ticad (Tokyo International Conference on African Development) andiany faha-6 tao Nairobi farany teo. Mbola hifampiraharaha amin’ireo mpamatsy sy mpampiasa vola vahiny ao Paris ihany koa ny fitondrana Rajaonarimampianina ny volana oktobra 2016 izao. Mahatratra 3,316 miliara dolara moa ny trosa ivelan’ny firenena Malagasy hatramin’ny faran’ny taona 2015. Mandrafitra ny 39,33%-n’ireo harena anatiny vokarin’ny fiarahamonina Malagasy mandritra ny taona iray moa ity bolongambola ity, araka ny paikady famakafakana tsotsotra navoakan’ny Cde (Club Développement et Ethique) farany tamin’ity volana septambra 2016 ity. Trosam-panjakana sy vola tsy voaloan’ny sehatra tsy miankina avokoa anefa ny 74,03% amin’io tambesatra mianjady amin’ny vahoaka Malagasy io. Anton’ny fisavovon’ny trosa manokana kosa ny tsy fahaiza-mitantana, ny fanodinkodinana samihafa, indrindra ny fampidirana ny resaka politika eny anivon’ireo orinasam-panjakana raha ny fanamarihan’ny Cde ihany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT