Actualités

Tranompokonolona Analakely Sarotsarotra ny fanarenana azy


  • Alarobia 31 Aogositra 2016

Efa ho iray volana izao no tsy azo nampiasaina intsony ny Tranompokonolona Analakely.

 

 Noho ny fahasimban’ilay hazo lehibe iray mitsivalana hitambesaran’ireo karazan-kazo eny amin’ny lapihazo no anton’izany, asa izay sarotsarotra raha araka ny fanadihadiana natao. Taorian’ny fijeren’ireo teknisianina eo anivon’ny sampandraharahan’ny asa vaventy etsy Anosipatrana ny zava-misy mantsy dia nisy mihitsy ny fitaovana manokana namboarin’izy ireo hahafahana manarina izany mba tsy hampidi-doza ireo mampiasa ity Tranompokonolona ity. Herim-pon’ny Kaominina madiodio no anaovana ny asa raha nampian’ny Fiangonana Finoana tamin’ny fanarenana sy fanatsarana ny Tranompokonolona Isotry. Ny 85%-n’ny asa no efa vita tanteraka ho an’ity farany, fanampiana izay tsy midika ho famandrihana tanteraka akory, hoy Ralamboarisoa tompon’andraikitry ny kolontsaina sy ny fiainam-piarahamonina eo anivon’ny Kaominina. Azon’ny rehetra ampiasaina mantsy ny Tranompokonolona Analakely sy Isotry hoy hatrany izy. 150.000 Ar isan’andro no hofany ho an’itsy voalohany raha 100.000 Ar isan’andro kosa ny an’ity farany miampy ny jiro 20.000 Ar isan’andro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT