Actualités

Tranomboky eny Antanimbarinandriana Hotokanana an-terisetra


  • Talata 21 Martsa 2017

Nampifanolana ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fanjakana foibe ny fananganana tranomboky tsy ara-dalàna teny Antanimbarinandriana satria tsy nahazoana alalana fa nanaovana didin’ny be sandry.

 Ny 8 martsa no fotoana saika hitokanan’ny fanjakana tamin’ny alalan-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina azy io, saingy tsy tanteraka noho ny rivodoza, ka rahampitso alarobia indray no nambara fa hanatanterahana ny lanonana. Hararaotina amin’ny tsy maha eto an-toerana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, izay tsy mankasitraka ny antsojay sy ny anterisetra ary ny fandikan-dalàna ankitsirano eto amin’ny amin’ny renivohitr’i Madagasikara ? Tsiahivina fa tanin’ny kaominina ny toerana misy ity tranomboky ity saingy nalaina an-keriny tsy nahazoana alalana, ary tsy nisy fifampiresahana fa nambara fa ho tetikasan’ny filoham-pirenena. Midika izany fa afaka mandika lalàna sy manao izay saim-patany ny mpitondra. Ny rafitra ara-dalàna misy eto Antananarivo dia ny kaominina no mitantana sy mandrindra ny fotodrafitrasa. Tsy hay anefa  hatreto izay hitantana sy handrindra azy ity. Sa hikipiana toy izay efa natao hatrizay ny fisalovanana andraikitra ? Ny mahagaga dia mangina sy tsy re feo ireo mpanolotsaina mpanohitra milaza azy ho mpiaro ny tombontsoan’ny kaominina. Sa kosa anisan’ireo niray tsikombakomba tamin’izao raharaha izao ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT