Toy ny fanaony isan-taona dia manatanteraka varotra fampirantiana voninkazo etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy ny fikambanana Ceinture Verte.
Am-polony maro ireo mpikambana no mandray anjara amin’izany izay samy mivarotra ireo karazam-boninkazo manavanana azy avokoa. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny olomasina nomarihina omaly talata 1 novambra ny hetsika. Araka ny fanazavan-dRakotomalala Vololona, filohan’ny fikambanana dia arahina fampianarana fambolena voninkazo maimaimpoana ny hetsika ka ireo karazam-boninkazo sarotra ambolena indrindra no hampianarina amin’izany. Anisan’ireny ny orchidée, ny anthirium izay mila fikarakarana sy fikojakojana manokana. Ankoatra izay dia hampianatra ireo renim-pianakaviana manana tany kely nefa te hamboly zavatra azo atao sakafo hanampiana amin’ny fiainana andavanandro ihany koa izy ireo. Anisan’ireny ny anana, ny salady… Andrasana ny fahatongavan’ny rehetra, eny fa na dia ho antsika raim-pianakaviana tia mikarakara zaridaina aza. Ny sabotsy ho avy izao vao hifarana ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.