Actualités

Trano miorina etsy Anosy Nandefa taratasy fitarainana ireo mpivarotra voninkazo


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Tafiditra ao anatin’ny tsenan’Ambohijatovo ny tsenam-boninkazo etsy Anosy. Nanana olana anefa ireo mpivarotra ao an-toerana nanomboka ny 23 martsa alina lasa teo.

 

 

 

 

Nisy olona tsy fantatra nanangana trano hazo hanaovana toeram-pivarotana hanimasaka mantsy manoloana azy ireo izay manakona ny tsenany tanteraka. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Mamy  solontenan’ireo mpivaro-boninkazo omaly dia efa hitan’ny lehiben’ny tsena io trano miorina io, tsy mbola mahafantatra kosa ny kaominina fa vao nampahalalain’izy ireo. Tsy maintsy nandefa taratasy fitarainana eny anivon’ny kaominina mantsy izy ireo saingy tsy nisy valiny. Ankehitriny, efa madiva ho vita ny asa na dia amin’ny andro alina hatrany aza no hanaovan’ny tompony azy. Efa misy jiro miampita mankao amin’ilay trano   ary mamaramparana ny ao anatiny sisa ilay mpanao trano izay marihina fa tsy miseho tava ihany koa fa mikatona ao anaty trano ao  noho ny tahony ireo mpivarotra. Miantso ny tokony hijeren’ny kaominina akaiky ity tranga mahazo ireo mpivaro-boninkazo etsy Anosy ity izy ireo. Nomarihin-dRtoa Mamy hatrany fa olon-tsotra no milaza ho  tompon’ilay tany nanorenana ny trano ary efa nanala  mpivarotra ranom-boankazo teny an-toerana io olona io.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT