Actualités

Trano mijoalajoala « Sun Tower » Mody fanina izay rehetra anontaniana


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Niteraka resabe ilay tetikasa fananganana trano goavambe antsoina hoe “Sun tower”, izy ity no trano avo indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ka mirefy 142 metatra ahitana rihana 42,

mitontaly 500 tapitrisa euros ny tetibidiny. Izay mpitondra rehetra nanontaniana mikasika azy io aloha hatreto dia samy niala bala avokoa. Voatonotonona ao anatin’izy ity ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, izay nody fanina raha nanontaniana ; naneho ny heviny mikasika ity tetikasa ity koa ny filoha lefitry ny antenimierandoholona, Rakotovazaha Olivier, ary dia tsotra no sady nazava ny valin-teniny, “tsy fantatro izany”, hoy izy. Mikasika ny antony nahatongavany teny amin’ny fivoriana mikasika ny fanorenana ifotony izay natao teny Antaninarenina kosa dia nambarany fa amin’ny maha solontenam-panjakana azy dia ilaina ny mihaino ny ankolafin-kevitra rehetra ka anisan’ny antony nahatongavany teny an-toerana. Karazana fehin-kevitra ihany anefa itony, hoy ny fanazavany, ary dia miankina amin’ny safidim-bahoaka no ahafahana mampihatra azy. Tsy mbola nisy anefa fandinihana na fanapahan-kevitra nivoaka avy eo anivon’ny andrim-panjakana telo tonta izay tokony hanapaka ny fitsapan-kevi-bahoaka mikasika izay, hoy izy namarana ny teniny.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT